Luke 4:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samihafa, dia nitondra azy teo Aminy; dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nanasitrana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy Izy, dia nahasitrana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao maty kosa ny masoandro, izay rehetra nanana marary azon’ny aretina isan-karazany dia samy nitondra ny azy teo amin’i Jesoa. Nametrahany tanana tsirairay izy ireny, ka nositraniny.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samihafa, dia nitondra azy teo Aminy; dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nanasitrana azy.
malagasy
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.