Luke 4:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy demonia niala tamin’ny maro ka niantso hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: «Ianao no Zanak’Andriamanitra,» fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy demonia* niala tamin’ny maro ka niantso hoe: Ianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy*.
malagasy
Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.