Luke 4:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony maraina ny andro dia niala teo Jesosy ka nankany an-tany efitra; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo Aminy ka te hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona azy tsy hisaraka aminy intsony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao naraina ny andro, dia niala tao an-tanàna i Jesoa ary nankany amin’ny toerana mangina. Nokarohin’ny vahoaka i Jesoa, ary dia hitany ka nokasainy hotazonina tsy hiala teo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony maraina ny andro dia niala teo Jesosy ka nankany an-tany efitra; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo Aminy ka te hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
malagasy
Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.