Luke 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitondra Azy niakatra ny devoly dia naneho Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin’ny devoly tany amin’ny toerana avo i Jesoa ka nasehony Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra eran-tany
Malagasy Bible 1865
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitondra Azy niakatra ny devoly dia naneho Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.
malagasy
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.