Luke 5:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indray andro, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampianatra ny Lalàna, izay tonga avy tamin’ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary Jerosalema; ary ny herin’ny Tompo dia tao Aminy mba hanasitranany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro raha nampianatra Izy, dia nipetraka manodidina Azy teo koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin’i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin’ny Tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nisy Farisianina sy mpahay lalàna nipetraka teo akaikiny; avy amin’ny tanàna any Galilea sy Jodea ary avy any Jerosalema ry zareo ireo. Ary niasa ny herin’ny Tompo mba hanasitranan’i Jesoa ny marary.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indray andro, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo* sasany sy ny mpampianatra ny Lalàna, izay tonga avy tamin’ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia* ary Jerosalema; ary ny herin’ny Tompo dia tao Aminy mba hanasitranany.
malagasy
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.