Luke 5:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa satria tsy hitan’izy ireo izay hampidirany azy noho ny habetsahan’ny vahoaka dia niakatra teo an-tafontrano ireo ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy Ralehilahy mbamin’ny fandrianany ho eo afovoan’ny olona, dia teo anatrehan’i Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan’ny olona, ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy, ary nanesorany ny tafo, dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hitan’ireo mpilanja izay fomba hampidirana azy noho ny habetsahan’ny olona ka niakarany ny tafon-trano, nanesorany ny tafo tanimanga ary nampidininy ombàm-pandriana ilay malemy ho eo afovoan’ny olona, eo anoloan’i Jesoa.
Malagasy Bible 1865
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa satria tsy hitan’izy ireo izay hampidirany azy noho ny habetsahan’ny vahoaka dia niakatra teo an-tafontrano ireo ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy Ralehilahy mbamin’ny fandrianany ho eo afovoan’ny olona, dia teo anatrehan’i Jesosy.
malagasy