Luke 5:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ary modia any an-tranonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etỳ an-tany ny Zanak’olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: –Mandidy anao Aho, mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao!
Malagasy Bible 1865
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona* manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ary modia any an-tranonao.
malagasy
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.