Luke 5:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izany dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra iray antsoina hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany, dia nandeha Izy ka nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi nipetraka teo amim-pamorian-ketra, ary hoy Izy taminy: «Manaraha Ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra atao hoe Levỳ nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izany dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra iray antsoina hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
malagasy
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[Izahao Mat. 9,9]