Luke 5:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy ireo Taminy: Ny mpianatr’i Jaona dia mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa dia mihinana sy misotro ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy indray ry zareo taminy: «Nahoana no ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy olona nanao tamin’i Jesoa hoe: –Ny an’i Jôhany Mpanao batisa, ny mpianany mahavatra mifady hanina sy mivavaka; toraka izany koa ny an’ny Farisianina. Fa ny anao kosa mihinana sy misotro hatrany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy ireo Taminy: Ny mpianatr’i Jaona dia mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ny Fariseo* koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa dia mihinana sy misotro ihany.
malagasy
Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.