Luke 5:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nilaza fanoharana taminy koa Izy hoe: Tsy misy olona mandrovitra akanjo vaovao hanalany tapa-damba hanampenana akanjo tonta; fa raha izany dia maharovitra ny vaovao izany, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ny tonta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: «Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba notriarina tamin’ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nilazan’i Jesoa fanoharana koa ireo olona ireo nataony hoe: –Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba amin’ny fitafiana vaovao hanampenana fitafiana tonta; fa raha izany, ny vaovao moa ho rovitra ary ny tonta tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Malagasy Bible 1865
Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nilaza fanoharana taminy koa Izy hoe: Tsy misy olona mandrovitra akanjo vaovao hanalany tapa-damba hanampenana akanjo tonta; fa raha izany dia maharovitra ny vaovao izany, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ny tonta.
malagasy