Luke 5:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao, dia handoaka ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba foana ny siny hoditra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho rovitry ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; fa raha izany, dia ho rotiky ny divay vaovao ny siny hoditra: ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao, dia handoaka ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba foana ny siny hoditra;
malagasy
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;