Luke 6:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indray Sabata dia nandeha namakivaky tanimbary iray Jesosy; ary nanoty salohim-bary ny mpianany, koa rehefa nokosokosohiny tamin’ny tanany dia nohaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosehiny tamin’ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray sabata, ry i Jesoa dia nandeha namaky tanimbary. Nioty salohim-bary ireto mpianany ary nikosoka tamin’ny tanany, dia nihinana.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indray Sabata* dia nandeha namakivaky tanimbary iray Jesosy; ary nanoty salohim-bary ny mpianany, koa rehefa nokosokosohiny tamin’ny tanany dia nohaniny.
malagasy
Ary tamin'ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.[ Na: faharoa manaraka ny voalohany].