Luke 6:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niara-nidina tamin’izy ireo Jesosy, dia nijanona teo amin’ny tany marin-tampona iray Izy sy ny mpianany maro mbamin’ny vahoaka betsaka avy tany Jodia manontolo sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tiro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ny aretiny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidona amorontsiraka,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niara-nidina tamin’ny 12 lahy i Jesoa ho eny an-tany lemaka. Mpianany maro sy vahoaka betsaka avy any Jodea lafy valo sy Jerosalema ary ny morontsirak’i Tiro sy i Sidôna
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niara-nidina tamin’izy ireo Jesosy, dia nijanona teo amin’ny tany marin-tampona iray Izy sy ny mpianany maro mbamin’ny vahoaka betsaka avy tany Jodia* manontolo sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tiro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin’ny aretiny;
malagasy