Luke 6:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mampisambotra amin’izay olona antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no fankasitrahana ho azonareo? Fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra amin’ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha ny antenain-kamerina ihany no ampisamborinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba mifampisambotra hahazoana takalony.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.