Luke 6:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tiava ny fahavalonareo ary manaova soa, dia mampisambora ka aza manantena valiny, dia ho lehibe ny valim-pitianareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin’ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.
Malagasy Bible 1865
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tiava ny fahavalonareo ary manaova soa, dia mampisambora ka aza manantena valiny, dia ho lehibe ny valim-pitianareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.
malagasy
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[Na: aza manantena valiny]