Luke 6:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‹Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao›, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin’ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin’ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak’ahitra amin’ny mason-kavana.
Malagasy Bible 1865
Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.
malagasy