Luke 6:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny olona nanorina trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy; koa nony tondraka ny rano dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy satria tsara fanorenana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsina azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tahaka ny olona manorin-trano ka nihady lalina ary nandatsaka ny fototra am-batolampy; nony tondraka ny rano, dia notonafan’ny riaka ilay trano nefa tsy nihontsona noho izy tsara orina.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny olona nanorina trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy; koa nony tondraka ny rano dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy satria tsara fanorenana izy.
malagasy
Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.[Na: naorina teo ambonin'ny vatolampy izy]Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.