Luke 6:49 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izay mandre, nefa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanorina trano teo ambonin’ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka ka nirodana niaraka tamin’izay izy; ary loza ny faharavan’izany trano izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona manorin-trano amin’izao tsy misy fototra; raha vao notonafan’ny riaka ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.
Malagasy Bible 1865
Fa izay mandre, fa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izay mandre, nefa tsy mankatò, dia tahaka ny olona izay nanorina trano teo ambonin’ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka ka nirodana niaraka tamin’izay izy; ary loza ny faharavan’izany trano izany.
malagasy