Luke 7:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly azy ireo Izy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, diovina ny boka, mahare ny marenina, atsangana ny maty ary ny mahantra dia itoriana ny Filazantsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no navaliny an’ireto iraka: «Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torina amin’ny mahantra ny Evanjely,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe: –Ndeha ambarao amin’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly azy ireo Izy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, diovina ny boka, mahare ny marenina, atsangana ny maty ary ny mahantra dia itoriana ny Filazantsara.
malagasy