Luke 7:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba mirentirenty va? Indro, ny mitafy lamba mirentirenty sy miaina amin’ny fahafinaretana dia ao an-dapan’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana sy manaram-po amin’ny fiainana, dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka!
Malagasy Bible 1865
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba mirentirenty va? Indro, ny mitafy lamba mirentirenty sy miaina amin’ny fahafinaretana dia ao an-dapan’ny mpanjaka.
malagasy
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[Gr. malemy]