Luke 7:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha nahare ny amin’i Jesosy ilay kapiteny dia naniraka loholon’ny Jiosy hankeo Aminy mba hangataka Azy ho avy ka hanasitrana ny mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahare ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao nahaheno ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa.
Malagasy Bible 1865
Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha nahare ny amin’i Jesosy ilay kapiteny dia naniraka loholon’ny Jiosy* hankeo Aminy mba hangataka Azy ho avy ka hanasitrana ny mpanompony.
malagasy
Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.