Luke 7:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao hira fisaonana izahay nefa tsy nitomany ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo! Nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen’ny namany tsiny hoe: «Ianareo itsofanay sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao hira fisaonana izahay nefa tsy nitomany ianareo.
malagasy
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.