Luke 7:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga ny Zanak’Olona mihinana sy misotro kosa, dia hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga indray ny Zanak’olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga indray ny Zanak’olona mihinana sy misotro, nefa lazainareo hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!»
Malagasy Bible 1865
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga ny Zanak’Olona* mihinana sy misotro kosa, dia hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.
malagasy
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.