Luke 7:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, koa rehefa fantany fa nipetraka nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo Jesosy dia nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy kosa vehivavy anankiray malaza ho mpanota tao an-tanàna. Vao nahalala ravehivavy fa hoe misakafo ao amin’ilay Farisianina i Jesoa, dia naka ilomanitra eran’ny tavoahangy alabasitra;
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, koa rehefa fantany fa nipetraka nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo Jesosy dia nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra izy;
malagasy
Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;