Luke 7:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitodika nijery an-dRavehivavy Jesosy ka niteny tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa dia nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony ary namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitodika an-dravehivavy Izy ka nanao tamin’i Simôna hoe: «Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin’i Simôna hoe: –Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitodika nijery an-dRavehivavy Jesosy ka niteny tamin’i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa dia nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony ary namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
malagasy