Luke 7:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha niaraka taminy Jesosy. Rehefa teo akaikin’ny trano Izy dia naniraka namana hitsena Azy ilay kapiteny ka niteny Taminy hoe: Tompoko, aza misahirana Ianao; fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: «Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko akory aho;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niara-nandeha tamin’ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin’ny trano Izy, dia nanirahan’ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe: –Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho;
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha niaraka taminy Jesosy. Rehefa teo akaikin’ny trano Izy dia naniraka namana hitsena Azy ilay kapiteny ka niteny Taminy hoe: Tompoko, aza misahirana Ianao; fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho.
malagasy