Luke 7:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izaho koa mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; koa hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy, ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy, ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: ‹Mandehana›, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: ‹Avia›, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: ‹Ataovy izany›, dia manao izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho manko, na ambany fahefàn’olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
Malagasy Bible 1865
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izaho koa mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; koa hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy, ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy, ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy.
malagasy