Luke 7:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nahare izany Jesosy dia gaga taminy; ary nitodika Izy ka niteny tamin’ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia teo amin’ny Israely aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe: –Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!
Malagasy Bible 1865
Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nahare izany Jesosy dia gaga taminy; ary nitodika Izy ka niteny tamin’ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia teo amin’ny Israely aza.
malagasy