Luke 8:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy: Ianareo no navela hahalala ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ny olon-kafa dia fanoharana no atao mba «Hijery izy fa tsy hahita ary hahare fa tsy hahafantatra» (Isa 6.9).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no navaliny azy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka namaly hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka «hijery izy fa tsy hahita ary hihaino fa tsy hahafantatra.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy: Ianareo no navela hahalala ny zavamiafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ny olon-kafa dia fanoharana no atao mba «Hijery izy fa tsy hahita ary hahare fa tsy hahafantatra» (Isa 6.9).
malagasy