Luke 8:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo teny amin’ny tany be vato dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ny hafaliana; nefa tsy niorim-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’izay andro isehoan’ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana.
Malagasy Bible 1865
Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.