Luke 8:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy amin’ny kapoaka na nametraka azy ao ambanin’ny farafara; fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho hitan’izay miditra ny mazava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tsy misy mampirehitra jiro, ka manarona azy amin’ny siny na manitrika azy ao ambany farafara; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany, hany ka izay miditra ao an-trano dia mahita ny hazavana.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy amin’ny kapoaka na nametraka azy ao ambanin’ny farafara; fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho hitan’izay miditra ny mazava.
malagasy
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.