Luke 8:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indray andro dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy; dia lasa izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro dia niditra tao amin’ny sambo kely anankiray i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: «Andeha isika hiampita eny an-dafin’ny farihy,» dia niainga izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: –Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy! Dia niainga Izy mianakavy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indray andro dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy; dia lasa izy ireo.
malagasy
Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.