Luke 8:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanatona izy ireo dia namoha Azy ka niteny hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Dia nitsahatra izany ka tonga tony tsara ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona namoha Azy izy ireo ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay!» Dia nitsangana Izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nohatonin’ny mpianany i Jesoa ary nofohaziny sady nataony hoe: –Mpampianatra ô, Mpampianatra ô, ho faty isika!
Malagasy Bible 1865
Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanatona izy ireo dia namoha Azy ka niteny hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Dia nitsahatra izany ka tonga tony tsara ny andro.
malagasy