Luke 8:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy dia nifanena Taminy ny lehilahy iray avy tao an-tanàna, izay nanana demonia, ary efa ela izy no tsy niakanjo sady tsy nitoetra an-trano, fa teny amin’ny fasana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafakatra tany an-tanety i Jesoa, dia inty nisy lehilahy anankiray nitsena Azy avy ao an-tanàna, izay azon’ny demony hatry ny ela ka tsy nitafy akory, na nanana antom-ponenana afa-tsy ny fasana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon’ny demony ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin’ny fasana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy dia nifanena Taminy ny lehilahy iray avy tao an-tanàna, izay nanana demonia*, ary efa ela izy no tsy niakanjo sady tsy nitoetra an-trano, fa teny amin’ny fasana.
malagasy
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.