Luke 8:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dRalehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ny rojo sy norohizina ny tongony ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana ka noentin’ny demonia niriotra nankany an-tany efitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Jesoa efa nandidy ny fanahy maloto hiala amin-dralehilahy. Fa matetika no nasian’ny fanahy maloto izy io, ka na nofatorana rojo vy sy nogadràn-tongotra aza, dia tapany ny fatorany, ka nentin’ny demony niriorio foana tany an’efitra tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin’ny demony miriorio any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dRalehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ny rojo sy norohizina ny tongony ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana ka noentin’ny demonia niriotra nankany an-tany efitra izy.
malagasy