Luke 8:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga ny olona mba hizaha izay zava-nitranga; ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo dia nahita an-dRalehilahy izay efa nialan’ny demonia, nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesosy, niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka hizaha izany ny olona, ka nony tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nahita ity lehilahy nivoahan’ny demony nipetraka teo amin’ny tongony, sady nitafy no nody saina, ka raiki-tahotra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa ny olona hijery ny zava-niseho; ka nony tonga teo akaikin’i Jesoa, dia nihoron-koditra nahita an-dralehilahy nialan’ny demony, mipetraka tsara eo an-tongotr’i Jesoa, mitafy lamba sady ary saina.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga ny olona mba hizaha izay zava-nitranga; ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo dia nahita an-dRalehilahy izay efa nialan’ny demonia, nipetraka teo anilan’ny tongotr’i Jesosy, niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
malagasy