Luke 8:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nangataka an’i Jesosy mba hiala aminy ny olona rehetra tany amin’ny faritry ny Geraseniana manodidina satria raiki-tahotra indrindra izy ireo; dia niondrana an-tsambokely Jesosy ka niverina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ny mponina rehetra tao amin’ny tanin’ny Gerasena nangataka Azy hiala teo aminy, satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo i Jesoa fa ndeha hiverina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raiki-tahotra mafy ny mponina rehetra, ka dia nangataka an’i Jesoa mba hiala teo amin’ny faritanin’i Gergesà. Dia niondrana an-tsambokely Izy ndeha hiverina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nangataka an’i Jesosy mba hiala aminy ny olona rehetra tany amin’ny faritry ny Geraseniana manodidina satria raiki-tahotra indrindra izy ireo; dia niondrana an-tsambokely Jesosy ka niverina.
malagasy
Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.[Na: Gadarena]