Luke 8:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Modia ihany any an-tranonao ka ambarao izay rehetra nataon’Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ny tanàna izay rehetra nataon’i Jesosy taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Modia any an-tranonao, ary tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao.» Dia lasa izy nitory eran’ny tanàna ny soa nataon’i Jesoa taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Modia any an-tranonao, ka tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao. Dia lasa ralehilahy nitory teny eran’ny tanàna ny zava-dehibe nataon’i Jesoa taminy.
Malagasy Bible 1865
Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Modia ihany any an-tranonao ka ambarao izay rehetra nataon’Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ny tanàna izay rehetra nataon’i Jesosy taminy.
malagasy
Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.