Luke 8:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy vehivavy iray narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny mpitsabo, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nisy vehivavy anankiray nitsì-dra hatramin’ny roa ambin’ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra hatramin’ny 12 taona, efa nandany ny fananany tamin’ny dokotera nefa tsy nisy nahasitrana azy na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy vehivavy iray narary nandeha ra nandritra ny roa amby folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny mpitsabo, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory ireny.
malagasy
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[Gr. narary nandeha rà]