Luke 8:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankao aorianan’i Jesosy Ravehivavy ka nikasika ny morontongotr’akanjony, ary niaraka tamin’izay dia nijanona ny fandehan’ny ra taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanatona avy ao ivohony, dia nanendry ny morontongotr’akanjony, ka nijanona niaraka tamin’izay ny fitsìhany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanatona an’i Jesoa avy ao ivoho ravehivavy ka vao nikasika ny somotraviavin-dambany, dia nijanona avy hatrany ny ra mitsika tao aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankao aorianan’i Jesosy Ravehivavy ka nikasika ny morontongotr’akanjony, ary niaraka tamin’izay dia nijanona ny fandehan’ny ra taminy.
malagasy
Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny.[Gr. fandehanan'ny ràny]