Luke 8:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nikasika Ahy? Rehefa samy nandà izy rehetra dia hoy i Petera sy ny namany: Tompoko, mifanositosika ny vahoaka betsaka ka manery Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jesoa: «Iza moa no nanendry Ahy?» Samy nandà avokoa izy rehetra, fa i Piera sy ny namany no nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô! vahoaka be no mifanety sy mifanizina aminao, ka Ianao manontany hoe: ‹Iza no nanendry Ahy?› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jesoa: –Iza moa no nikasika Ahy teo? Samy nandà avokoa izy rehetra, fa i Petera no niteny hoe: –Mampianatra ô, vahoaka be anie no mifanety sy mifanizina aminao!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nikasika Ahy? Rehefa samy nandà izy rehetra dia hoy i Petera sy ny namany: Tompoko, mifanositosika ny vahoaka betsaka ka manery Anao.
malagasy
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.