Luke 8:49 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola niteny Jesosy dia tonga ny iray avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka niteny hoe: Maty ny zanakao vavy; aza manahirana ny Mpampianatra intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola niteny Izy, dia nisy olona anankiray avy any amin’ilay lehiben’ny sinagoga tonga nilaza taminy hoe: «Efa maty ny zanakao vavy, fa aza manasatra ny Mpampianatra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy any an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga nanao tamin’i Jaîro hoe: –Efa maty ny zanakao vavy, ka aza sahiraninao intsony ny Mpampianatra.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola niteny Jesosy dia tonga ny iray avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka niteny hoe: Maty ny zanakao vavy; aza manahirana ny Mpampianatra intsony.
malagasy
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.