Luke 8:52 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitomany sy niteha-tratra noho ny aminy ny olona rehetra; fa Jesosy niteny hoe: Aza mitomany, tsy maty izy, fa matory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitomany sy ory azy ny olona rehetra, fa hoy i Jesoa: «Aza mitomany ianareo; tsy maty izy fa matory.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitomany sy nandondòn-tratra nisaona an-drazazavavy ny olona rehetra teo, ka hoy i Jesoa hoe: –Aoka izay ny ranomaso! Tsy maty akory izy fa matory.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitomany sy niteha-tratra noho ny aminy ny olona rehetra; fa Jesosy niteny hoe: Aza mitomany, tsy maty izy, fa matory.
malagasy
Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.