Luke 9:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ho hariva ny andro dia nanatona ny roa amby folo lahy ka niteny Taminy hoe: Ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny tanàna manodidina sy any amin’ny vohitra mba hiditra an-trano sy hitady sakafo, fa atỳ an-tany efitra isika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: «Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atỳ an’efitra isika izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony efa ho hariva ny andro, dia nohatonin’ny 12 lahy i Jesoa sady nataony hoe: –Ravao ny vahoaka mba hamonjy ny tanàna kely sy trano an-tsaha eny manodidina, hitady hanina sy fandriana satria an-taniefitra isika izao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ho hariva ny andro dia nanatona ny roa amby folo lahy ka niteny Taminy hoe: Ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny tanàna manodidina sy any amin’ny vohitra mba hiditra an-trano sy hitady sakafo, fa atỳ an-tany efitra isika.
malagasy