Luke 9:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny amin’ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eny anoloan’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Jesoa kosa ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra an’Andriamanitra noho ireo sakafo ireo, dia nanapaka sy nanome azy ny mpianany harosony amin’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny amin’ny vahoaka.
malagasy
Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.[Na: nasiany]