Luke 9:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Izy taminy: Aza mitondra zavatra eny an-dalana, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy Izy taminy: «Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nohafatrafarany hoe: –Aza mitondra na inona na inona ianareo rehefa mandeha, na tehina, na kitapo, na sakafo, na vola, na akanjo hisoloana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Izy taminy: Aza mitondra zavatra eny an-dalana, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
malagasy
Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.