Luke 9:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Petera sy ny namany kosa dia navesatry ny torimaso, ary nony nahatsiaro izy ireo dia nahita ny voninahitr’i Jesosy sy izy roa lahy izay niaraka Taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roalahy teo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sondrian-tory kosa i Petera sy ny namany, nefa mba taitra ihany ka nahita an’i Jesoa heni-boninahitra sy nahita azy roa lahy izay teo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Petera sy ny namany kosa dia navesatry ny torimaso, ary nony nahatsiaro izy ireo dia nahita ny voninahitr’i Jesosy sy izy roa lahy izay niaraka Taminy.
malagasy
Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[Na: Nony nahatsiaro tsara]