Luke 9:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa hisaraka Taminy ireo dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hamboatra tranolay telo: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: «Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atỳ, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia»; tsy fantany anefa izay nolazainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony efa handao an’i Jesoa ry i Mosesy sy i Elià, dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; ka hanao tranolay anankitelo izahay: ny anankiray ho Anao; ny anankiray ho an’i Mosesy ary ny anankiray ho an’i Elià (Tsy fantany anefa izay nolazainy).
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa hisaraka Taminy ireo dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hamboatra tranolay telo: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
malagasy