Luke 9:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nanatona izy dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Dia niteny mafy ilay fanahy maloto Jesosy ka nanasitrana ilay zazalahy; dia natolony ny rainy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nanatona ilay zaza, dia nazeran’ny demony ka nakapony izaitsizy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran’ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin’i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nanatona izy dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia*. Dia niteny mafy ilay fanahy maloto Jesosy ka nanasitrana ilay zazalahy; dia natolony ny rainy izy.
malagasy
Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.