Luke 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hoy ny sasany: I Elia no niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny iray amin’ny mpaminany fahiny no nitsangana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ny sasany nanao hoe: «I Joany no nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty,» ny sasany nilaza hoe: «I Elia no niseho,» ary ny sasany nanao hoe: «Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sasany kosa nanao hoe: –I Elià no miseho! Ny hafa indray nanao hoe: –Ny anankiray tamin’ireo mpaminani n’Andriamanitra fahizay no niverina!
Malagasy Bible 1865
ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hoy ny sasany: I Elia no niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny iray amin’ny mpaminany fahiny no nitsangana.
malagasy
ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.